Fahombiazana. Tsara ny vokatra ho an’ny tetikasa Ankizy, tohanan’ny Agence française de développement sy ny fikambanana Sœur Emmanuelle (Asmae). Tafakatra 3 000 ireo ankizy nisitraka fanohanana avy amin’ny tetikasa, nandritra ny 9 taona niasany. Nanome tantsoroka ireo akany fibeazana zaza sahirana miisa efatra teto amin’ny faritra ny tetikasa, hanohanana ireo mpianatra sy hanamafisana ny fanabeazana an-tsekoly. “Nisy ny tantsoroka ara-bola sy ara-teknika entina hanomezana fiofanana”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Asmae Madagasikara, Andriamiarana Vatosoa Rehareha. Misy, hoy izy, ny fidinana ifotony natao hamaritana ny filan’ireo akany fibeazana. Nomena tohana ara-bola ihany koa ireo akany mba hanohanany ireo mpianatra sy ny fampitaovana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampandehanana ny asa sy ny fandoavana ny ampahan’ny karaman’ny tomponandraikitra samihafa araka izay zakan’ny tetikasa.
Nitombo
Novinavinaina ho 2 000 ireo ankizy omena tohana, saingy tafakatra 3 000 izany, raha 2 800 kosa ireo nisitraka an-kolaka ny tetikasa. Ankoatra izay, nisy fitaovana novokarina niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho an’ireo akany fibeazana sy ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena manerana ny Nosy. Hanampy amin’ny fanabeazana ny ankizy sy hanehoany ny heviny ireo fampitaovana novolavolaina. Zava-dehibe izany ankoatra ny salanisa azony any am-pianarana, raha ny fanazavana hatrany.
Henintsoa




