Hotanterahina eny Ankatso, mandritra ny hateloana, manomboka ny 30 jolay ho avy izao, ny Andron’ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia (EGS), miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka JFP 2026. Tanjona ny hizarana vaovao sy tranga fitrandraka (fanararaotra) ho an’ny mpianatra ao amin’io sampam-piofanana io maniry hahafantatra ny asa samihafa misy eny amin’ny orinasa tsy miankina na sehatry ny fanjakana. Fa indrindra ny fandraharahana. Tanjona ny fanamorana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny tontolon’ny asa sy ny fanofanana hanatsarana ny fahaiza-manao, araka ny fanazavan’ny Sojaben’ny fakiolte EGS, profesora Ramaromanana Andriamahefazafy Fanomezantsoa, omaly, teny Soarano.
Hisongadina ho an’ny andiany fahenina ny « Espace entreprenariat » manome tosika sy fahaiza-manao. Homena tosika ny mpianatra efa misehatra amin’ny fandraharahana, afaka hiresaka amin’ny mpisehatra samihafa hoavy ao kosa ny mpianatra manana tetikasa.
Ankoatra ny velakevitra samihafa, hisy « simulation » maromaro koa, ahitana manampahaizana amin’ny fitantanana mpiasa (RH) hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fanampiana ireo mpianatra.
Mpanohana ny hetsika ny Orange Madagascar, mandritra ny telo andro. “Handray anjara amin’ny fifanakalozana amin’ny mpianatra izy ireo ary hiresaka momba ny fampananana asa ary ny tolotra misy ao amin’ny Orange Digital Center (ODC). Mpandray anjara amin’ny fifaninanana Poesam hatrany ny tanora malagasy ary tafiditra ao amin’ny laharana telo voalohany”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Orange, Andriamampionona Francia
Vonjy




