Fikaonandoham-pirenen’ny tanora : 700 ireo mpandray anjara eny amin’ny CCI

Taorian’ny fikaonandoham-paritry ny tanora isaky ny faritra, notanterahina teto An­tananarivo ny atrikasa famaranana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ho an’ny Fa­navaozana. Eny amin’ny CCI Ivato, mandritra ny hateloana, nosantarina omaly, izany. Tanora 700 mahery, avy amin’ny Faritra 24, voasolo tena ao avokoa ary hitondra ny
feon’ny tanora namany. “Na­nomboka teny amin’ny kaominina, nakana ny hevitry ny tanora rehetra, indrindra ireo manana fahasembanana ny fikaonandoham-paritra natao”, araka ny fanambaran’ny so­lontenan’ny tanora avy any Atsimo Andrefana, Randria­nasolo Manosotse. Manga­taka izy ireo mba hisy olona manana fahasembanana any amin’ireny minisitera ireny sy ny fitondrana Fanavaozana.
“Ny Unicef sy ny sampandraharahan’ny Firenena mi­kambana maromaro no miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Tanora, nandritra ny dingana rehetra hatramin’izao fikaonandoham-pirenena izao”, hoy ny solontenan’ny Fire­nena mikambana ho an’ny fampandrosoana mpisolo toerana. Mihaino sy manohana ny Firenena mikambana, hoy ihany izy.
“Manana tanora herin’ny firenena i Madagasikara ka ny fakan-kevitra tanterahina dia hatao manan-danja ho fitaovana hanavotra ny firenena. Satria hery mamelona ny fanavaozana”, hoy ny mpanolotsain’ ny Fanavaozana, Randriamia­risoa Gervais. Hiady hevitra, hifampihaino ireo solontenan’ny tanora ary hamoaka antontan-kevitra nasionaly entina hanavaozana ny firenena.

Vonjy

Partager sur: