Nihaona, ny herinandro lasa teo, ireo filohan’ny mpianatra sy mpitarika ao amin’ny oniversiten’i Toamasina niaraka tamin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Pr Razanakolona Diny. Teo koa ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Dr Ramahefasoa Barbin ary ny talen’ny Assurance Qualité, Dr Rakotoniaina Bearisoa, araka ny fampitam-baovaon’ny oniversite any an-toerana. Naharitra hateloana ny fihaonana. Ahafahan’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny sampam-pampianarana mivondrona ao anatin’ny Alliance des associations pédagogiques (Adap) sy ny filohan’ny fikambanan’ireo mpianatra rezionaly nifanakalo hevitra tamin’ny tomponandraikitra momba ny Tondrozotra hampandehanana ny fampianarana sy ny fiofanana ary ny fikarohana eo amin’ny oniversiten’i Toamasina, ny dinika.
Tapaka fa hisy ny paikady ho fanatsarana ny filaminana sosialy sy ny fanaraha-maso akaiky ny fizotran’ireo fanamboarana fotodrafitrasa. Ho mariky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, narafitra anaty boky iray izany ary natao sonia.
Vonjy




