Valanaretina Mpox : Distrika 12 nanaovan’ny Croix Rouge Malagasy fandinihana

Distrika 70 no nahitana trangana Mpox, ary ny 40 amin’ireo mbola manana marary amin’izao fotoana izao. 3 115 ny tranga voamarina nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 27 jolay lasa teo. Nanatanteraka hetsika mifandraika amin’ny valanaretina ny Croix Rouge Malagasy.

Nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary, nanatanteraka hetsika ny Croix Rouge Malagasy ho famaliana ny momba ny valanaretina Mpox, teny anivon’ny distrika 12. Asa lehibe maro no nosahanina ho fanohanana ny vahoaka ka anisan’ireny ny fanohanana ara-tsaina, ny fanentanana faobe teny anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina. Eo koa ny fitsidihana teny an-kianja ary ny fizarana fitaovana fidiovana sy fanadiovana. Nandray anjara tamin’ny fanaraha-maso sy fanohanana ireo tranga voamarina koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo, raha ny fanazavana azo. Nisy atrikasa famaranana ny tetikasa valin-kafatra manoloana ny valanaretina Mpox, tamin’ity herinandro ity, teto Anta­nanarivo. Atrikasa nanehoana sy nandinihina ireo zava-bita nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa, ireo lesona azo tsoahina ary ireo paikady hanatsarana ny fiatrehana ny trangana valanaretina eto Madagasikara.
Nanaovana tombana ireo vokatra azo, nifampizarana koa ireo traikefa ary nojerena ireo fanatsarana azo atao amin’ny fiatrehana valanaretina amin’ny hoavy. Maneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ny Croix Rouge Malagasy, amin’ny fanohanana ireo ezaka ara-pahasalamana sy fiarovana ny vahoaka, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanatrika ny hetsika famaranana ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa mpandrindra eo anivon’ny “Commu­nication des risques et engagement communautaire (Crec)”. Hita tao koa ny solontenan’ny Federasionina iraisam-pirenena Croix Rouge sy Croissant Rouge eto amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny tale eo anivon’ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Analamanga.

Vonjy

Partager sur: