Orange Madagascar : Manasongadina ireo start Up sy ny vehivavy tohanany

Anisan’ny mpanohana ny hetsika Andron’ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary sosiolojia sy ny mpiray ombon’­ antoka (JFP) ny Orange Madagascar. Hetsika tanterahina eny Ankatso, mandritra ny hateloana.

Nosantarina omaly ity andiany fahenina ity, izay miavaka amin’ny sehatra fandraharahana. Mi­son­­gadina ny start up sy ny vehivavy nahazo tohana avy amin’ny Orange Mada­gascar. Mizara ny tohana azony sy ny tombontsoa vokatr’izany ho an’ny mpitsidika izy ireo. Mpahazo tombontsoa avy amin’ny Maison digital sy Orange Digital Center (ODC) avokoa izy ireo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ODC, i Mialisoa Rojo Ravaka.
Eo amin’ny tranoheva indray, ankoatra ny varotra, manasongadina ny anjara biriky entin’ny Orange amin’ny asa soa ho an’ny fiarahamonina manome fiofanana maimaimpoana ho an’ny tanora sy tantsoroka ho an’ny vehivavy mba hananany fahaleovantena ara-pihariana ny Orange solidarité sy ODC.

Mampiavaka ny hetsika koa ny fandraisana anjaran’i Ntsoa, mpahazo tombontsoa avy amin’ny Orange. Tamin’ny alalan’ny Fab lab ny tohana nositrahiny, izay nahaizany nifehy ny “design” sy mikirakira imprimante 3D. Nahavitany prototype mampisongadina ny tetikasany “Vatofantsika”, mam­piseho ny kolontsaina malagasy amin’ny endrika “puzzle”, izany.

Entanina hitsidika ny hetsika ny tanora vao niatrika bakalorea farany teo na ny mpianatra eny amin’ny oniversite, satria misy fiofanana maimaimpoana hanamafy ny fahaiza-manao eny an-toerana. Raha manana hevitra amin’ny maha mpandraharaha koa izy ireo, vonona ny Orange hanohana. Ohatra amin’izany ny fahafahana mampiditra ny teknolojia ao anatin’ny tetikasa na koa ny fomba mampaharitra ilay tetikasa hitondra fahaleovantena ara-pihariana.
Manome tantsoroka koa ny sampana fitantanana ny mpiasa ao amin’ny Orange momba ny CV maharesy lahatra ny mpampiasa ary mandray CV ho an’ireo tonga manatitra izany mandritra ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: