Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny oniversite. Tanjona ny hampahafantatra ny mpianatra ny momba ny loza ateraka ny valanaretina Mpox sy ny hanome ny vaksiny maimaimpoana ahafahan’izy ireo miatrika am-pilaminana ny fianarany.
Ny toeram-ponenan’ny mpianatra no toerana mora iparitahan’ny aretina raha tsy mitandrina, ka manana andraikitra goavana amin’izany ny fiadidiam-paritry ny Fahasalamana Analamanga.
Nanomboka ny alakamisy lasa teo ary mandritra ny roa andro, misy ekipa, ahitana mpitsabo sy mpanentana, misahana ny hetsika eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso. Ankoatra ny vaksiny, hisy koa ny fanentanana, ny fampahafantarana ary ny fanontaniana arahim-baliny hanafoanana ny tahotra sy izay mety vaovao diso mahatonga fisalasalana ho an’ireo mpianatra. Manampy ny fianarana rantovon’ireo tanora, fanamby ihany koa, ny fahaizain’izy ireo mifehy sy misoroka ny valanaretina amin’ny fotoana rehetra.
Ezaka fiarovana ny mpianatra sady fanapahana ny rojom-pifandraisana amin’ny valanaretina Mpox ny fanentanana sy fanaovam-baksiny notontosaina teny Ankatso.
Vonjy




