INDRAY MIJERY

Manao tombana momba ny fampisakafoana an-tsekoly ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny avy amin’ny Fanda­haranasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), tamin’ity herinandro ity, haharitra hefarana. Efa nisy atrikasa isam-paritra nahafahan’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny Cisco nanao ny tombana rehetra amin’ny fampandehanana ny fandaharana. Mandritra ny tombana koa no handrafetana ny drafitrasa iombonan’ny Men sy ny Pam ho an’ny taom-pianarana manaraka.
Ho fampahafantarana sy fampiofanana amin’ny fampiasana ny sehatra niomerika ho an’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony mangataka « habilitation, accréditation, ary équivalence », hosokafana amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny sehatra niomerika CNH/ CNA 2026, ny alatsinainy ho avy izao. Voakasik’ izany ireo tomponandraikitry ny Mention sy ny Parcours ao amin’ireo toeram-pampianarana ambony efa nametraka na mikasa hametraka fangatahana.
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny solontena maharitry ny Fonds des Nations unies pour la population (UNFPA). Anisan’ireo sehatra voaresaka ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny fahasalaman’ny tanora, ny fahaleovantenan’ny vehivavy ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra sy mpanabe olon-tsahala amin’ny Fanabeazana feno momba ny fahasalamana ara-pananahana (ECS).

Partager sur: