Fampianarana ambony : Miantoka ny kalitaon’ny fampianarana ny rafitra HAE

Natao, omaly, tetsy amin’ ny Mesupres Fiadanana, ny fampahafantarana sy fampiofanana momba ny sehatra niomerika “Habilitation”, “Ac­créditation” ary “Équivalence” HAE. Niarahana tamin’ireo tomponandraikitry ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana izany.
Miisa 546 ireo antontan-taratasy voaray hatramin’ny 10 jolay 2026, raha manodi­dina ny 250 kosa ireo antontan-taratasy afaka hodinihin’ ny vaomieram-pirenena momba ny “Habilitation” (CNH) amin’ ity andiany ity.
Mandalo dingana fanasokajiana sy fanamarinana eny ifotony ary “expertise” ataon’ ireo manam-pahaizana manokana ny antontan-taratasy rehetra. Vinavinaina hanomboka ny 21 septambra 2026 ny fivoriana ara-potoan’ny CNH sy CAN.
Ity sehatra niomerika HAE ity no hanamora ny fitantanana ny dingana rehetra amin’ny fangatahana “Habilitation”, “Ac­créditation” ary “Équivalence”.
Anisan’ny vina lehibe iasan’ ny Mesupres ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana am­baratonga ambony. Mian­toka ny fanarahana ny fenitra sy ny kalitao eny amin’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony ny rafitra HAE izay tsy azo tsinontsinoavina.
Maro ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanja­kana no mitsangana kanefa tsy mbola anatin’ireo fenitra hahatafidirana anatin’ny rafitra ka mila fanatsarana sy manda­mina ny antontan-taratasy hahazoana izany. Hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny minisitera.

Tatiana A

Partager sur: