Rugby – Trophy Barthès: Tsy tonga ny Makis sy i Côte d’Ivoire

Hanomboka anio, any Kampala Ouganda, ny fiadiana ny Trophy Barthès, taranja rugby, sokajy “junior”. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izay ao anatin’ny “First division” (D1). Raha ho an’ny Malagasy, ny tsy fisian’ny saran-dalana, ny antony tsy nahafahana nandeha. Araka ny fanadihadiana natao, tsy nanome taratasy antoka amin’ny fandoavana ny tapakila ny fanjakana, hiatrehana izany. Misy ny sazy mihatra ho an’ny rugby malagasy saingy heno fa nangataka tamin’ny Rugby Afrika ny tomponandraikitra mba tsy hanasazy an’i Madagasikara ka miandry izay ho valin-tenin’izy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena roa ihany izany sisa hiady ny toerana hiakarana ao amin’ny “Performance” dia i Zambia sy i Ouganda. Natao lalao mandroso sy miverina ny azy ireo ka izay manana isa tsara no mahazo ny tapakila hiakarana “performance”. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2023 niatrika ity Trophy Barthès ity farany ny Makis ary laharana faha-7 tamin’izany.

Tompondaka

Partager sur: