Tsipy kanetibe malagasy : «Misy minia manakoron-tana», hoy ny FSBM

Tsy milamina mihitsy ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe na eo aza ny vokatra azon’ireo ekipam-pirenena ka nandrombahana ny “Mondial 2026”, sokajy “junior”. Mbola mifanolana hatrany amin’ny resaka fitsipika ny klioba sy ny Federasionina malagasy (FSBM). “Misy koa anefa ireo miezaka mandrehitra afo”, hoy ny tomponandraikitra.

Raha jerena ivelany, mandeha sy milamina ny taranja tsipy kanetibe malagasy. Zohina akaiky, misavoritaka sy miady an-trano. “Misy minia manakorontana hanasoketana ny FSBM any ho any”, hoy ny tomponandraikitra iray ao amin’ny federasionina. Tato anatin’ny 24 ora, miseho indray ny olana eo amin’ny Federation sport boule malagasy (FSBM) sy ny klioba UBMT. Raha tsiahivina, miatrika ny “tournoi estival”, any France ity ekipa ity amin’izao fotoana izao. Nitranga ny olana rehefa nilalao niaraka tamin’ny Malagasy mpilalao mipetraka any an-toerana i Donald, nandritra ny tournoi Le Puy-en-Velay, ny faran’ny herinandro teo. Vo­katr’io, nandefa taratasy fampahatsiahivana tamin’ilay mpilalaon’ny UBTM ny federasionina fa tsy mahazo milalao miaraka amin’ny olona tsy manana kara-pilalaovana avy amin’ny FSBM rehefa any ivelany. Io tranga io no novoizin’ny maro tao anaty tambajotra serasera fa fanasaziana. Ni­tondra fanazavana ny tale teknika nasionaly fa fampahafantarana ny lalàna no natao tamin’i Donald fa tsy sazy ary nanamafy izany, ny filohan’ny UBMT, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Tsy vao izao akory izany lalàna izany fa efa hatramin’ny nahafa-tsazy an’i Madagasikara. Ankoatra izay, tsy maintsy mody i Onja fa lany ny fahazoan-dalana “visa” hipetrahany any France, ka tsy afaka hanohy ny “Tournoi estival” intsony ny tovolahy.

Tompondaka

Partager sur: