Volley-ball U18 vehivavy: Resin’i Mada 1 i Maurice

Niditra tamin’ny andro fahatelo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny «Championnat des Nations», taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy sy lehilahy, ho an’ny faritra fahafito. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny U18 vehivavy, resin’i Madagasikara 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/22 ; 25/17 ; 25/19), i Maurice. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanjaka tamin’ny fahaizana mandrindra ny fanafihana ny tovovavy malagasy. Tsara ihany koa ny fiarovan-tena ary tsy betsaka ny baolina very. Nandritra ny seta telo nilalaovana, nirafitra tsara ny paikady napetraky ny mpanazatra ary hain’ireo mpilalao ny nampiasa izany.
Teo amin’ny lalao iray kosa, nomontsanin’i La Réunion tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/7 ; 25/8 ; 25/21), i Madagasikara 2. Nanantombo tamin’ny fahaiza-manao sy ny tanjaka ny renionezy. Lava ihany koa ireo mpifanandrina ka nanahirana ny Malagasy ny naka azy ireo. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny ry zareo renionezy, teo amin’ireo seta roa voalohany.

Tompondaka

Partager sur: