Jazz@Tohatohabato: Nanana ny lazany i Madagasikara sy ny kantony

Efa tazana hatry ny ela ? Hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara. Nientana ny teny an-tsehatra. Tahaka izany ihany koa ny mpijery. Maro ny feo re fa niavaka ny…

«… Mahay ianareo Ma­lagasy, indrindra fa ny tanora. Manan-talenta ianareo… », hoy ireo vahiny tonga teny amin’ny famaranana ny fampisehoana an-tsehatra niarahana tamin’ny hetsika kolontsaina sy zavakanto « Jazz@Tohatoha­bato » taona 2026. Lafiny teknika, voafehin’ireo mpandray anjara tsara ny zavamaneno teo am-pelatanany. Fampiarahana ta­lenta, nisongadina tanteraka ny fisian’ny rindra ahafahana manasongadina ny hakanton’ny jazz. Tsy ny hetsika Jazz@Toha­tohabato irery intsony no nahatafapetraka sy nahatafita ny dingana nokendreny, fa ny lazan’i Madaga­sikara sy ny kanto eo aminy no nanana ny laza vaovao indray.
Nientana ny teny an-tsehatra. Tsy latsa-danja tamin’izany ireo mpijery tonga maro teo amin’ny tohatohaba­ton’Antani­narenina. Anisan’ny nampiavaka ity andiany ity rahateo ny fahitana fa somary nanatombo kokoa ny isan’ny tanora teo amin’ny fandraisana anjara fa indrindra ny mpijery. Tanora mifantoka, naka sy nitrandraka ireo kanto hitan’ny masony sy ren’ny sofiny.
Tarika Raozy Gasy, Jazz Kids, aponga Drumline, Jazz Club CGM, Vahandanitra, Soa­hary, O’Leity, Nantis, Ny Ray Fanaiky, Trifinity Soul, The Re­very, 4/4, Joro J Project, 18,3, Mahefa Ramiandrisoa Quartet, Gaelle Tsirininofy, Vazo Lee, Big Band Kely, Tsanta Randri, Veto, Faniah, Mad’in Voyage. Samy nahaliana ny mpijery tonga maro tetsy amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina avokoa ny tolotra nomeny, omaly. Miandry ny andiany manaraka indray ny rehetra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: