Delta United Madagascar: Mifantina sy mitily ankizy mahay baolina

Miara-miasa amin’ny “agents recruteurs” any andafy ny Delta United Madagascar, taranja baolina kitra. Ankehitriny, manao fifantenana sy mitily ankizy mahay baolina izy ireo, halefa ho anaty ivontoeram-piofanana sy klioba any Eoropa.

Nanomboka ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Esca Antanime­na ny fitiliana sy fifantenana ataon’ny ivontoeram-piofanana Delta United Madagascar, ireo ankizy mpilalao baolina kitra. Nambaran’ny Coach Titi Rasoanaivo fa manerana an’i Madagasikara ny fifantenana fa fanombohana ny eto an-dRenivohitra. Nahatratra ha­trany amin’ny 250 tany ireo ankizy namaly ny antso. 17 ka hatramin’ny 20 taona izy ireo.
Fangatahan’ireo «agents recruteurs» telo mirahalahy mipetraka any Slovaquie sy Belgique ary France izany, izay ho avy eto Madagasikara hijery ka haka izay mpilalao voafantina. Ny fahitan’ireo teknisianina vahiny ny fahaizan’ireo Malagasy mpilalao niatrika ny Cosafa tatsy Maurice
no na­hasarika azy ireo ka nitady lalana. Tamin’ny alalan-dRasoanaivo Fidy, mpanazatra ny Club M Maurice ny nahitana izao fiaraha-miasa eo amin’ny Delta United sy ireto «agents recruteurs» ireto. «Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fifantenana fa tsy misy ankinafinafina na fahalalana olona sy ny mpanazatra fa izay mahay sy ao anatin’ny masontsivana no ho voafantina», hoy hatrany ny Coach Titi. Ankoatra ny fahaizam-baolina, jerena ihany koa ny halavana sy ny haben’ny vatana ary ny toetra sy ny fahaiza-miaina. Hitohy any Avaradra­no sy Mahitsy ary Atsimon­drano ny fitiliana. Hisy koa ireo olona avy amin’ny Delta United any amin’ny faritra efa manao fitiliana ka hakarina eto Antananarivo izay voafantina any. Hifarana ny volana oktobra ny fifantenana, mialoha ny fiavian’ireo “agents recruteurs” ka mpilalao 24 no hotazomina sy hatolotra azy ireo. Anjarany indray avy eo no maka izay ilainy, hoentina any andafy, hilalao ao anaty klioba.

Tompondaka

Partager sur: