Afrobasket U18:  Hidona amin’i Senegal ny Ankoay anio

Laharana fahadimy ny Ankoay Madagasikara, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny “Afro­basket”, sokajy lehilahy U18. Fifaninanana tanterahina any Abidjan Côte d’Ivoire. Fandre­sena roa nanoloana an’i Gabon sy i Maroc ary faharesena tokana tamin’i Mali, ny vokatra azon’izy ireo ka mametraka azy amin’io laharana io. Na izany aza, tafita hiatrika ny dingana ampahefa-dalana ry zalahy ka hifandona amin’ny Lion de la Teranga Senegal, laharana fahefatra. Lalao hotanterahina rahampitso alakamisy. Senegal, nitovy vokatra tamin’ny Ankoay, nandresy indroa, tamin’ny fifanandrinana tamin’i Rwanda sy i Tunisie ary resy indray mandeha raha nifandona tamin’i Cameroun. Ho an’ireo fihaonana hafa, ny Voromaherin’i Mali hifampitana amin’i Vo­romaherin’ny Carthage Tu­nisie. Ny elefantan’i Côte d’Ivoire hifanazava amin’ny Faraonan’i Egypte ary ny Liona tsy voafolak’i Cameroun hikatroka amin’i Tchad. Hi­fandona amin’izay tafavoaka eo amin’i Mali sy i Tunisie ny Ankoay raha tafavoaka eo, amin’ny manasa-dalana.

Mandra-piandry izany, nanainga omaly ny Ankoay vehivavy olon-telo miaraka, hiatrika ny Fiba 3×3 Womens series. Fihaonana hotanterahina any Singapour ny 13 sy 14 aogositra ary any Bangkok ny 22 sy 23 aogositra ho avy izao. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, i Koloina sy i Sarobidy, miampy an’i Sydy sy i Sambatra.

Tompondaka

Partager sur: