Rugby – XXL Top 12 : Nahemotra ny famaranana

Raha efa voalahatra fa hotanterahina ny alahady 16 aogositra ho avy izao, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 12, voatery nahemotra izany. Tsy avy amin’ny Malagasy rugby fa noho ny fangatahan’ny orinasa Star, mpanohana ny fifaninanana. Araka ny fikaroham-baovao natao, mbola maro ny zavatra sahanin’izy ireo ka amin’ny alahady 6 septambra vao malalaka.

Tsy manan-tsafidy ny baolina lavalava fa manaiky izany. Satria, izy ireo no hanome ny loka ho an’ny mpandresy. Tsy maintsy nanaiky ny fandaminana, araka izany, ireo fileovana hiatrika ny famaranana dia ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Hiara-dalana amin’io ny lalao sakana hifanandrinan’ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny RCSA (Soldats) Anosibe. Eo koa ny fiadiana ny laharana fahatelo, hifanandrinan’ny CEA Andrano­manalina sy ny FTM Manjakaray. Fihaonana andrasan’ny rehetra ihany koa satria ho toy ny famaranana kely. Hanala vela amin’ity ny ekipan’ny Dakar.

Tompondaka

Partager sur: