Judo – Tournoi du Capricorne : Hahatratra 300 ireo judokas hiady ny lohany

Ho ambohipihaonan’ny mpitia ny taranja judo indray ny renivohitr’i Toliara, manomboka rahampitso. Hotanterahina mandritra ny hateloana any an-toerana mantsy ny andiany faha-30 amin’ny “Tournoi du Capricorne”. Judokas 300 isa no hiady ny lohany, amin’izany.

Hanomboka, rahampitso 14 ka hatramin’ny alahady 16 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny “Tournoi du Capricorne”, eo amin’ny taranja Judo. Fihaonana ho­tanterehina ao amin’ny kianja mitafon’i Tsenengea Toliara ary karakarain’ny ligy Atsimo Andrefana sy ny Club du Capricorne School ary eo ambany fiahian’ny Federasio­nina malagasin’ny judo (FMJ).
Hahatratra 300 mianadahy mianaka ka 172 ny lehilahy raha 128 ny vehivavy, avy amin’ny klioba 26 sy ligim-paritra miisa 7, manerana an’i Madagasikara, no hiady ny lohany amin’izany. Hisy sokajy enina avy na eo amin’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Ny “poussin(e)”, ny “Benja­min(e)”, ny “minime”, ny “ca­det(te”, ny “junior” ary ny “senior”. Haharitra 1mn 30 ny ady eo amin’ny “poussin(e)”, raha 2 mn ny an’ny “Benja­min(e)”. 3 mn kosa ny an’ny “minime” ary 4 mn ny an’ny “cadet(te)” sy ny “junior” ary ny “senior”. Misokatra ho an’ny judokas rehetra ny fifaninanana rehefa hatolotry ny klioba mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Federasionina malagasin’ny judo. Manana kara-pilalaovana voamarina ho an’ny taom-pilalaovana 2026, miaraka amin’ny taratasy fanamarinan’ny mpitsabo amin’ny fahafahana miatrika fifaninanana.
Tsy voafetra ny isan’ny mpikatroka atolotry ny klioba amin’ny sokajy iray. Ankoatra izay, ho an’ny isan-tarika misy ny “Trophée Akira Kai”, ahitana mpikatroka 10 ka 5 lahy (-60 kg ; -66 kg : -81 kg ; -90 kg ; +90 kg). 5 vavy (-48 kg ; -52 kg ; -57 kg ; -63 kg ; +63 kg). Ho an’ny “Trophée AZAD Remi” sokajy zandriny ka 5 lahy (-26 kg ; -34 kg ; -42 kg ; -50 kg ; +50 kg) ary 5 vavy (-25 kg ; -36 kg ; -40 kg ; -48 kg ; +48 kg).

Tompondaka

Partager sur: