“ Fankasitrahana!” Tsy nody tamin’ny tanam-polo ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, nandritra ny “Afrobasket U18” izay notontosaina tany Côte d’Ivoire, tamin’ity volana ity, na dia nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana aza. Nahazo ny amboaran’ny “Fair Play”, noho ny fahaizany mifaninana tsara ny Ankoay.
Teo amin’ny amboara ho an’ny mpilalao tsirairay kosa, nahazo fankasitrahana roa ny Malagasy, tamin’ny alalan-dRasetriarivony Harinosy A’Ranty. Raha ny fikarohana natao omaly, voahosotra ho mpilalao nampiditra baolina be indrindra, izay nahatratra 109 isa, izy. Sady tafiditra anatin’ireo mpilalao dimy mendrika indrindra ihany koa nandritra ny fifanintsanana.
Marihina fa laharana fahafito ny Ankoay, tamin’ity 2026 ity, raha toa ka efa nahazo ny laharana faharoa ry zareo tamin’ny “Afrobasket 2022”, natao teto Madagasikara. Tsiahivina fa voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’izany, i Mathias M’Madi, Malagasy mpilalao.
Fitia Randria




