Hetsika kolontsaina sy zavakanto, fomba amam-panao, tsy fahita firy. Ny sabotsy 22 aogositra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hotanterahina eto Antananarivo Renivohitra ny « Fanandratana ny hiran’ny Ntaolo sy ny dihin’ny Ntaolo ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny diabe ara-kolontsaina tarihin-javamaneno miainga eo Ambohijatovo ka hatreny amin’ny Parvis Analakely. Arahina ny fanandratana ireo hira sy dihin’ny Ntaolo. Fanehoana ny hakanton’ny vakodrazana. Marihina fa anisan’ny zavakanto mifono hevi-dalina ny « dihy sy hiran’ ny Ntaolo » izay matetika hatao amina fotoan-dehibe tanterahina any amin’ireo tranobe eto Imerina.
Ho tazana ao anatin’ity « Fanandratana ny hira sy ny dihin’ny Ntaolo » ity ireo karazana fomba na fihetsika hoenti-manatanteraka ny dihin’ny Ntaolo sy ny hiran’ny Ntaolo. Anisan’ny mampiavaka ireo hira sy ny dihy malagasy fahiny rahateo ny fisian’ny antom-piforonana. Tsy natao hampifalifaliana ny sofina sy ny maso fotsiny fa nentina koa amohazana zavatra maro (fanahy maha olona, saina mivelatra, fiarahamonina mirindra…).
Iray amin’ireo tarika miaina sy manao fikarohana akaiky momba ny fomba amam-panao ary ny zavakanto, ny Loharano, izay mikarakara ity hetsika lehibe ity. Antenaina fa hisy hatrany ny voka-pikarohana hoentin-dry zareo amin’ io fotoana io.
HaRy Razafindrakoto




