Notontosaina tany Mahajanga, ny 13 – 15 aogositra lasa teo, ny « Rallye du Boeny ». Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana nokarakarain’ny klioba Go Janga. Nanjaka tokana sady nanampatra ny heriny ny klioba Asacm, satria izy ireo avokoa no nahazo ny toerana dimy voalohany. Nandrombaka ny fandresena i Fréderic sy i Andry Tahina, nitondra ny fiara Mitsubishi. Tontosan’izy ireo tao anatin’ny 1 ora 19 mn 25, 7 s ny fifaninanana. Very
1 mn 7, 3 s taoriany i Olivier sy i Mahents, niaraka tamin’ny Mitsubishi Evo X. 1 mn 12, 4 s kosa no nandaozany ny fahatelo, nahitana an’i Aro Kiady sy i Ny Anjara, nitondra ny Subaru. Tsy tafiditra tao anaty lampihazo kosa, tamin’ity, i Mathieu sy i Young Nathanael sy ny Subaru Impreza fa teo amin’ny laharana fahefatra. Na iray klioba aza, nifampitady tamn’ireo “ES” nifaninanana. Na izay natao teo am-tampon-tanàna, na ny notontosaina tamin’ny alina.
Efa tany amin’ny laharana fahenina kosa vao nisy ekipazy hafa tamin’ny alalan’i Rado sy i Anja, mpanamory avy amin’ny MSA, nitondra ny Subaru ary nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny ora iray 26 mn 55, 6 s. Mpanamory 21 tamin’ireo 35 nandray ny fiaingana no hany nahatontosa ny fifaninanana hatramin’ ny farany. Dingana manaraka ny “Rallye ASA Tana”, hatao ny 3 sy 4 oktobra 2026.
Tompondaka




