Klioba iray manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ho an’ny vehivavy sy lehilahy, ny Disciples FC. Ho an’ny lehilahy, tafita hiatrika ny dingana faharoa, diviziona faharoa D2 nasionaly, ny Disciples Espoir Analamanga. Eo amin’ny vehivavy indray, miakatra amin’ny dingana manaraka ny DFC Vakinankaratra.
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, « Can 2026 », ny Liona Cameroun. Resin’izy ireo tamin’ny famaranana, 3 no ho 0, i Malawi, afakomaly. Tsara ny mampahatsiahy fa ity no amboara voalohany azon’ny liona vavy Cameroun.
Norombahin’ny ekipan’ny RC Lens ny amboaran’ny « Trophée des Champions », frantsay, afakomaly, rehefa nandavo ny klioban’ny Paris Saint Germain (PSG), tompondakan’i Eoropa, tamin’ny isa
1 no ho 0 izy ireo. Tsiahivina fa ny klioba parizianina PSG no nahazo ity amboara ity farany.




