Nisy nandrava ny doanin’ Andriamanongavola, eny Alasora. Raha ny hita eny an-toerana, nokorontanina ny doany nisy ireo sainam-pirenena ary nozimbazimbaina ny faritra Masina. Mifanentana ireo mpandala ny fomba malagasy hiakatra eny an-toerana, anio, hidinika ny tokony hatao sy ny fepetra horaisina.
Mitady mpanao hatsikana hanao ny tapany voalohany amin’ny seho izay hataony i Joely. Efa mpisehatra amin’ny tontolon’ny « Stand up » no ilaina, efa zatra sehatra ary manana forona mampihomehy. Hialoha lalana azy amin’ilay fampisehoana hataony ny 13 septambra ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, io.
Nahitam-pahombiazana ilay hetsika « Zara lalao », notontosain’ny fikambanana Sombiny Haiko tetsy amin’ ny Zaridainan’ Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Nifanentana ireo mpanakanto nitovy fijery amin’ny fikambanana ka sady nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanafanana sehatra. Afaka nilalao ireo lalao malagasy koa ireo ankizy rehetra nandalo, ankoatra ireo ahian’ny fikambanana.




