« The Voice Africa 2026 »: Maniry hikarakara fifaninanana eto i Val

Nisongadina indray i Madagasikara tamin’ilay fifaninanan-kira « The Voice of Africa » Manana tetikasa maro i Val taorian’ny nahazoany ny laharana faharoa.

Hikarakara fifaninanan-kira goavana ho an’ny tanora malagasy, ha­nan­gana trano famokarana, fa indrindra hamoaka hira amin’ ny teny malagasy entina eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Ireo no anisan’ ny tetikasan’i Val na Raza­fimahefa Herimanjaka Valim­bavaka. Izy ilay tovolahy mala­gasy nifaninana tamin’ny « The Voice Africa 2026 » teo, ka nahazo ny laharana faharoa. Noraisin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera tetsy amin’ny biraony, etsy Nanisana, i Val, omaly. An­koatra ny fankasitrahana azy noho ny zava-bitany, nidera ny nanandratan’i Val ny sainam-pirenena malagasy sy ny fitafiana gasigasy koa ny minisitra. Nanambara ito farany fa tsy mitazam-potsiny ny minisitera fa mitondra ny fanoha­nany an’ireo tanora manan-talenta manandratra avo ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny hira sy zavakanto ka maneho fihetsika hita maso toy izao mba ho fampirisihana hatrany ny tanora mahavita ezaka lehibe manandratra ny voninahi-pirenena.
Raha hiverenana ny fifaninanana, tsara fiditra hatrany i Val tamin’ireo dingana rehetra natrehiny. Anisn’ny mpifani­nana natahoran’ireo namany indrindra izy, satria samy nahatsapa ny talentany ny rehetra, indrindra ireo mpitsara. Tsy tafahoatra an’i Saraa, izay solontenan’i Bénin kosa i Val teo amin’ny fitsaran’ny mpankafy. Na izany aza, niady ny famaranana izay natao tany Abidjan, ny alin’ny zoma lasa teo izy. Niara-nihira tamin’i Meiway, izay « coach » nitantana azy aloha, i Val. Avy eo izy nanao ny « Beat it », hiran’i Michael Jackson, anisan’ny tena sarotra indrindra. Mbola tombony ho azy ny nitendreny piano tamin’ilay hira « Diesel with a smile » an’i Bruno Mars. Nampiditra teny malagasy tao anatin’ity hira ity i Val, ho pi-maso ho an’ireo mpiray tanindrazana maneran-tany.
Tsy voalohany iny fifaninan-kira iny ho an’i Val. Efa nandray anjara tamin’ny « Pazzapa Blys and Girls » izy, ny taona 2017. Tao anatin’ ilay tetikasa « Singing Con­test » an’ny Pazzapa School ihany koa, ny taona 2021. Ny taona 2023 izy no efa nifaninana tao anatin’ny « The Voice Africa », saingy tamin’ ity vao niatrika ny dingana famaranana.

Zo ny Aina

Partager sur: