SOMBIM-BAOVAO

Voafidy indray hitantana ny Federasiona malagasin’ny FMHMC, izay ivondronan’ny taranja Haltéro­philie sy ny fitaizana ara-batana “Musculation” ary ny “culturisme” Randriamanarivo Harinelina Jean Alex. Fifidianana izay natao tetsy Ivandry, afakomaly. Nahazo vato fito tamin’ireo ligy fito ny tenany.

Nanolotra tohana toy ny vary sy vola ho an’ireo ekipa nandray anjara tamin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tanora tao amin’ny faritanin’i Toliara ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly. Hetsika izay efa natao tamin’ireo klioba nifanintsana tamin’ny divizionina faharoa nasionaly sy ny lalao ho an’ny vehivavy.

Araka ny fikarohana natao omaly, hodinihina ny volana oktobra ho avy izao, ao amin’ny fitsarana avo momba ny fanatanjahantena (Tas), ilay raharaha mahakasika an’izay tompondakan’ny Can 2025. Amboara izay nifandroritan’i Maroc sy i Sénégal. Ny Caf sy ny Federasiona Marokanina no hifanandrina amin’ny Federasiona senegalais amin’izany.

Partager sur: