Tafatsoaka ny jiolahy nikasa hanao fanafihana tao amin’ny tokantrano iray teny Ambohijanaka, ny 17 aogositra lasa teo. Notapahin’ireo olon-dratsy ny vy fiarovana tamin’ny tamboho, saingy tsikaritry ny tompon-trano izany. Nampandre ny mpitandro filaminana ireto farany ka nandositra ny mpandroba.
Olona roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN2, afakomaly. Notrongisin’ny kamiao avy aoriana ny taksibe 114 iray nitondra olona am-polony.
Nanohy ny fisafoana alina eny Ambolokandrina sy Ambohipo ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena, afakomaly alina. Nanamafy ny fanentanana ireo tomponandraikitra misahana ny toeram-pisotroana ihany koa izy ireo mba hanaja ny ora amin’ny 9 ora alina.
Fatin-jaza hitan’ny fokonolona teny amin’ny fokontany Antetezana afovoany, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony ilay zaza ary ahina ho narian’ny reniny. Niroso tamin’ny fangalana ny nofo mangatsiakan’io zaza hita faty io ny tomponandraikitra.




