Tsy misy fialantsasatra fa mitohy avy hatrany ny fandaharam-potoana ho an’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball (FMVB). Taorian’ny fandraisana ny “Championnat des Nations U18), hiditra amin’ny fifaninanam-pirenena dia ny amboaran’i Madagasikara D2, lahy sy vavy, indray ry zareo. Hotanterahina ny 4 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao izany, ka hampiantrano ny fihaonana ny ligin’ Analamanga. Hatao ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.
Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ireo ekipa eo ambany fiahian’ny federasiona. Tsy voafetra, araka izany, ny isan’ny klioba hifaninana. Mila manana kara-pilalaovana D2 ho an’ny taom-pilalaovana 2025-2026 voamarin’ny ligy niaviana ireo mpilalao rehetra hifaninana. Tsy ekena kosa ny fampidirana mpilalao hafa manatevina ny ekipa. Manaraka ny fitsipika mifehy ny fifaninananan’ny federasiona ny lalao rehetra. Mivoaka ho mpandresy ny ekipa mahazo seta 3. 300 000 Ar isaky ny ekipa no saran’ny fandraisana anjara ary isan-tsokajy. Hahazo amboara ny ekipa 3 voalohany.
Tompondaka




