Depiote Rakotoniaina Pety: “Izao no ahazoana manadihady ny Jirama”

“Izao fitondrana izao no ahazoan-dry zareo manao fanadihadiana parlemantera”, hoy ny filohan’ny vaomiera fanadihadiana parlemantera, ny depiote tsy miankina voa­fidy tany Ikalamavony, Matsia­tra Ambony, Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fitakiana ny handravana ny Antenimieram­pirenena. Toy ny olona miasa ho an’ny fahavalom-pirenena izay mitaky ny fandravana ny Antenimierampirenena tsy hitohizan’ny fanadihadiana parlemantera ny Jirama. Izay no mahamaika ny sasany. Tsy fantatra raha mpikarama an’ ady nandray vola tany… Aoka fa samy nanao izay natao taloha tany teto amin’ny firenena ny tsirairay. Misy matahotra raha mandeha izany. Ho fantatry ny Malagasy ny hoe tamin’ny fitondrana izao na izatsy no nisian’ny fanapotehana ny orinasa. Satria tsy mahazaka hoe tena ho zava-doza raha mivoaka ny marina. Aza maika fa hotenenina ny anaran’izy ireo rehefa ho avy ny fotoana. Ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena ny fanadihadiana parlemantera ary ho an’ny vahoaka mala­gasy.
“Misy milaza hoe tsy misy antony tokony hipetrahan’ny Antenimierampirenena intsony, fa tsy misy mpanohitra intsony”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe handravana ny Antenimi­e­rampirenena. Vita fihavanana amin’ny lehiben’ny mpanohitra sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimi­eram­pire­nena ny filohan’ny Fana­vao­zana. Nefa tsy ny fisian’ny mpanohitra no antom-pisian’ ny Antenimierampirenena, manao asa ilain’ny firenena. Faly izy amin’ny fampihava­nana. An’ny Malagasy rehetra i Madagasikara. Mba hisy fifaninanana masina… Efa samy nandray andraikitra tamin’ny fitantanana ny firenena ny zanaky ny Faritany tsirairay avy. Tsy fanavakavahana izany fa mba rariny koa. Rariny sy hitsiny ny zanaky ny “Grand sud” raha mitantana…

R. Nd.

Partager sur: