Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ireo atleta malagasy niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny « Championnat des Nations U18 », sokajy lahy sy vavy. Lalao natao teto Antananarivo, ny 4-12 aogositra lasa teo. Ho fankasitrahana azy ireo, notoloran’ny minisitra lelavola 2 tapitrisa Ariary ry zareo ho fankasitrahana ny ezaka vita.
Nandritra io fotoana io no nampahafantarina ny minisitra ny vokatra tsara azon’ireo tanora malagasy tamin’ity fifanintsanana ity. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball, Raharimalala Léa, fa fony izy mpilalao tao anaty ekipa nasionaly, ny taona 1991 no nahazo medaly volamena farany i Madagasikara, raha ny sokajy vehivavy no resahina. Efa aty amin’ ny 2026 indray vao niverina izany, ka ezahin’izy ireo ny hitohizan’ny ezaka.
Nisy ihany koa ny fanomezana medaly sy amboara ho an’ity filoha ity.
Raha ny filazan’ny minisitra, omaly, mbola horaisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ihany koa ny ekipam-pirenena ho fankasitrahana ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ity fifanintsanana ity.
Fitia Randria




