Nampahafantatra ny traikefa ananan’ny fireneny momba ny fifidianana ny ambasadaoron’i Turquie. Nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, tetsy Antaninarenina, omaly, no nitondrany izany.
Nandray ny ambasadaoron’i Turquie, Halime Ebru Demircan, tetsy amin’ny birao fiasany, etsy Antaninarenina, ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. Anisan’ny votoatin’ny diniky ny roa tonta ny momba ny demokrasia sy ny fifidianana. Eo koa ny fifampizarana ny amin’ny fizotry ny fitondrana Fanavaozana eto Madagasikara.
Nozarain’ny ambasadaoro tamin’izany ny traikefan’i Turquie momba ny fandraisana anjaran’ny olom-
pirenena. « Anisan’ny mampiavaka ny rafitra demokratikan’ny firenenay izany ary porofon’izany ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana any aminay. Maherin’ ny 90% hatrany », hoy izy.
Maherin’ny 60 taona ny fifandraisana
Etsy andaniny, voatsiahy fa efa maherin’ny 60 taona ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Turquie. Nanomboka tany amin’ny taona 1960 tany ho any. « Miorina amin’ny fifampitokisana lalim-paka izany », hoy ny minisitra misahana ny Fanavaozana.
Naneho hatrany ny fahavononany i Turquie hanohana sy hiara-miasa amin’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ izany ny amin’ny fifanakalozana traikefa momba ny demokrasia sy ny fifidianana. Eo koa ny sehatra marolafy iarahan’ny firenena roa tonta miombona antoka. Anisan’ izany ny fananantany ka nizaran’izy ireo traikefa sy fahaiza-manao ary fomba fanao tsara izay ananan’izy ireo amin’ izany. Anisan’ny mahaliana an’i Tirquie koa ny momba ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Synèse R.




