Hotanterahina any Azerbaidjan, ny 22 hatramin’ny 31 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, sokajy U15 (Fifa U15 World Cup). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Bareakely ary efa ao anatin’ny fanomanana izany ny teknisianina eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny fantatra, handrafitra ny ekipam-pirenena amin’ity ireo ankizy nalaina avy amin’ilay tetikasa Talent Development Scheme (TDS). Hiampy ireo kilonga avy any amin’ireo faritra hafa eto Madagasikara sy ireo zanaka malagasy mipetraka any ivelany izany. Heverina hanomboka amin’ny tapaky ny volana
septambra ny fampivondronana ireo ankizy eny amin’ny ivotoeram-piofanana eny Carion Manjakandriana. Tsiahivina fa tohin’ilay “Indian Ocean U15 Festival” natao teto Madagasikara, ny taona 2024 sy ny tany Maurice, tamin’ny taon-dasa, izy ity, saingy niova endrika fotsiny. Lalao natokana ho an’ny olona valo ity hatao any Azerbaidjan ity. Ankoatra izay, hifaninanana amin’ny “Cosafa Cup U17” ihany koa ny Barea.
Tompondaka




