Manomboka mifoha ireo natoritory. Mipoitra ny atsy, miseho ny aroa. Samy manatanteraka hetsika ho fampahafantarana ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ireo fomba amam-panao niainan’ny Malagasy fahiny. Mitombo isa mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny fifampitsikerana. Tranga mifanohitra tanteraka amin’itsy tanjona tratrarina. Fahiny, nahay nifanohana sy niray hina ny Malagasy. Ankehitriny, hiverina eny ifotony, kanefa, lany andro amin’ny fifampitsikerana izay azo antoka fa miafara amin’ny fisaraham-bazana. Nanjary sarotra amin’ny Malagasy ny mifampiresaka, mifampihaino, mifanaja? Raha ireo no very, amin’ ny fomba ahoana no hiverenana any amin’ny fototry ny kolontsaina, zavakanto, fomba amam-panao, sns?
Na mitovy aza ny tanjona, anisan’ny antony miteraka ny fifampitsikerana ny « fiheveran-tena ho… ». Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fahalalana tantara. Ny fitiavana sy ny finiavana handiso ny hafa. Ny fihinanana amam-bolony ireo « laza masaka » nataon’ny vahiny sy ny zaza navelany, sns. Mila resen’ny Malagasy ny tahaka ireo raha te hiverina ifotony amin’ny kolontsaina sy zavakanto ary fomba amam-panao. Raha tsy izany, ho lany andro hifampitsikera eto. Na ihany koa, hiseho amin’ny endrika ivelany fotsiny ny fiverenana ifotony, ka tsy hitera-bokatsoa.
HaRy Razafindrakoto




