TSELATRA

Telo vavy, 17, 16 ary 12 taona, nanavaon’ny fianakaviany filazana fikarohana hitan’ny polisim-pirenena, afakomaly. Nihazo ny tranon’ny namany izy ireo fa tsy nody, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy.
Renim-pianakaviana tsy nahatsiaro tena tam­poka tetsy 67 Ha, omaly. Anisan’ny mpandeha tao anaty taxi-be mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Antananarivo izy. Nentin’ny mpitandro filaminana nihazo ny mpitsabo avy eo.
Raim-pianakaviana 70 taona hita faty tao Am­pahibe, kaominina Ankarinoro, distrikan’i Fandriana, omaly. Nipetraka tamin’ny toerana avo izy. Tsy hitan’ny fianaka­viany intsony kanjo taolam-balo hany sisa tavela taminy.

Partager sur: