Voafidy ho filohan’ny Fikambanana misahana ny fanatanjahantena iraisan’ny minisitera sy ny andrimpanjakana na Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires) indray Andrianarison Botosera Jean Aimé (John Love). Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany, omaly. Tsiahivina fa naverina ity fifidianana ity noho ny fangatahan’ny maro izay noheverina ho nisy tsy fanarahan-dalàna. Fe-potoana fanintelony hitondrany ny Asief ity. Rehefa natao ny fanamarinana rehetra, 84 ireo manan-jo hifidy, saingy tsy tonga ny iray ka 83 ny nanatanteraka izany. Taorian’ny fanisana, nahazo vato 48 i John Love, raha 33 ny an’i Sambesoa Masinaraka. 2 kosa ny vato maty.
“Ny fandreseko anio dia fandresen’ny mpiasam-panjakana manao fanatanjahantena. Isaorana ny fitondram-panjakana tamin’ny fikarakarana. Miantso ny mpiasam-panjakana rehetra hiray hina hatrany aho”, hoy izy taorian’ny famoahana ny voka-pifidianana. Tsiahivina fa kandidà efatra no tokony hifaninana, saingy niala an-daharana ny roa.
Hotanterahina manomboka ny alahady ho avy izao, tsy hifarana raha tsy ny 5 septambra 2026, any Manakara, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny Asief.
Fitia Randria




