Nisafidy ny Nosy rahavavy, Maurice, ihany koa ny CFFA Andoharanofotsy hampiantranoana ny fihaonany amin’ny Lijabatho FC Lesotho, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Ligue des Champions Caf».
Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny klioba CFFA Andoharanofotsy, omaly, fa ao Maurice no handraisan’izy ireo ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Ligue des champions Caf», taranja baolina kitra. Lalao hikatrohany amin’ny Lijabatho avy atsy Lesotho. Nomarihin’ny mpampita vaovao fa hotanterahina ao Côte d’Or izany, ny sabotsy 5 septambra ho avy izao.
Any Afrika Atsimo kosa ny lalao miverina, afaka herinandro, izany hoe, ny sabotsy 12 septambra 2026. Marihina fa tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf ihany koa i Lesotho. Araka ny fampitam-baovao hita tao anaty tranokalam-pifandraisan’ity ekipan’i Lesotho ity, nisafidy ny hampiantrano ny CFFA ao Johannesbourg izy ireo.
Efa anatin’ny fanomanana tanteraka, ankehitriny, ity ekipan’Andoharanofotsy ity. Tsiahivina fa ny alahady ho avy izao, hiatrika lalao fitsapana amin’ny FC Rouge, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, izy ireo. Lalao hatao eny amin’ny Kianja Iavoloha. «Mitohy hatrany ny kotrana sy ny fanomanana ataonay. Efa ao amin’ny heriny avokoa ireo mpilalao rehetra. Ao anatin’izany ireo nantsoina hanatevina ny CFFA. Anisan’izany ry Tendry sy Andy ary Rado be sy Fabrice, avy amin’ny Disciples FC. I Tony sy i Fitahiana kosa avy amin’ny Elgeco Plus”, hoy Rajaonarisamba Franck, mpanazatra. Nomarihiny fa hitsapana ireo mpilalao rehetra ny lalao hatao amin’ny alahady ho avy izao. Tsiahivina fa lalao mandroso sy miverina io lalao hifanandrinana amin’ny FC Rouge io.
Fitia Randria




