Nitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny sekoly sady klioba baolina kitra, Ajesaia, nandritra ny fifaninanana ho an’ireo sokajy zandriny, U13 sy U15, izay natao tany Maurice, ny 14-15 novambra lasa teo. Nahazo amboara telo tany an-toerana izy ireo, satria sady nisy mpilalao mendrika, nahazo laharana voalohany ny U15 ary faharoa kosa ny U13. Manoloana izany, noraisin’ny Filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, izy ireo, ny sabotsy lasa teo, tetsy Isoraka. Tamin’ny antso an-tariby avy any Nizeria, no nanaovany ny lahateniny ho an’ireto zandrikelin’Antaninkatsaka ireto. Nonolotra fanohanana toy ny fanamiana sy baolina ho an’ity klioba ity moa ny FMF, ary nilaza ny lehiben’ny baolina kitra eto Madagasikara, fa vonona hatrany izy ireo ny hanohana ny Ajesaia, izay klioba iray namokatra mpilalao mendrika sy kalaza maro. Tsiahivina fa tao amin’ny Ajesaia avokoa no nivoaka ireo niatrika ny Can 2019. Anisan’izany ry Bolida, Voavy Paulin, Abel Anicet, Deba Kely. Ary ireo mpilalao efa mandrafitra ekipam-pirenena Barea ankehitriny, toa an-dry El Hadary sy Arnaud.
Fitia Randria





