Nifarana teo amin’ny fihodinana faharoa, ny dian-dRandrianjohany Alice, tamin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja judo, izay natao tany Tashkent ity. Ao amin’ny sokajy vehivavy, “juniors” -78, no misy an’ity Malagasy ity. Tsy nitsanga-menatra ny tenany, nandritra ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity, satria dia nandavo ilay tompondakan’i Afrika, Ibrahim Jana, vehivavy egypsianina mpikatroka.
Efa nitarika tamin’ny Yuko ity vehivavy avy atsy Egypte ity saingy niezaka hatrany i Alice ka resiny tamin’ny Ippon, ity laharana voalohany eto Afrika ity.
Ilay nerlandey, Xanne Van Lijf, no nanilika an’i Alice, teo amin’ny dingana manaraka, omaly.
Na dia tsy nitondra medaly aza i Alice, tamin’ity fifanintsanana ity, tsy nitsanga-menatra ny tenany satria nandavo ny ngeza eto Afrika. Tsara ny mampatsiahy fa tao amin’ny vondrona “B”, nifaninanana ity judokate malagasy ity, ary nahazo tsapa sy lesona izy, hanarenany ny vokatra azony amin’ny lalao manaraka.
Ampahafantarina ihany fa araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Judo, (FMJ), eo amin’ny laharana fahafolo aty Afrika i Madagasikara, amin’ity hay ady ity.
Fitia Randria





