Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha ny lalao mandroso amin’ny fifaninanana “Coupe des Champions” izay hifanandrinan’ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara sy ny FC Rouge, tompon’ny amboara nasionaly. Fihaonana izay hanomanan’ny ekipa roa tonta ny lalao afrikanina “Ligue des champions Caf” ho an’ny CFFA sy ny “Coupe de la conféderation Caf” ho an’ny FC Rouge. Ho an’ ireo mpanazatra ny andaniny sy ny ankilany, lalao natao hitsapana sy hanamafisana ny fiarahana ity hotontosaina ity. « Amin’ny maha Super coupe azy, tsy maintsy hiezaka ny hitady fandresena izahay. Eo ihany koa ny fanatsarana ny
pitsompitsony maro eo amin’ny lafiny takitika sy ny fiarahana eo amin’ilay mpilalao nafarana sy ireo izay efa tato hatramin’ izay.” hoy ny mpanazatra ny FC Rouge, Ratolojanahary Fenosoa na ny Coach Feno.
Etsy ankilany, io no fihaonana ara-pirahalahiana voalohany hataon’ny CFFA, saingy efa hitan’ny mpanazatra Rajaonarisamba Frank, nandritra ny fanazarantena natao fa tafiditra tsara anaty ekipa ireo mpilalao nafarana ary avo dia avo ny herin-tsain’izy ireo amin’ity fihaonana ity. Io no fotoana hahafahana manao ny fampiharana ho azy ireo.
Fitia Randria




