“Rugby à 7”, sokajy lehilahy: Hiady toerana any Ouganda ny Makis Madagasikara

Hiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Challenger series 3” ny Makis an’i Madagasikara ho an’ny rugby lalaovin’olona fito, sokajy lehilahy. Firenena enina no hiady ho lohany amin’izany ka tafita amin’ny “World Rugby Sevens 3” izay voalohany.

Novain’ny Rugby Afrique ny rafitra hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 na “Africa Men’s Sevens Series” taorian’ny fanemorana ny fifaninanana izay tokony ho natao tatsy Maurice, ny 20 sy 21 jona lasa teo. Raha tsiahivina, nofoanana ny fihaonana noho ny fisian’ny valanaretina tany an-toerana.
Amin’izao fitohizan’ny fifaninanana izao, nozaraina roa ireo firenena 12 mandray an­jara. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “challenger series 3” hatao any Ouganda, ny 26 sy 27 septambra ho avy izao, ireo firenena enina voalohany aty Afrika dia i Zimbabwe, Ma­dagasikara, Tunisie, Ouganda mpampiantrano, Zambie ary i Ghana. Hisolo tena an’i Afrika amin’ny “World Rugby Sevens 3” ho an’ny taona 2027 izay voalohany amin’izany.
Marihina fa efa tafita amin’ izany i Afrika Atsimo sy i Kenya.
Tsiahivina fa laharana faharoa ny Makis tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fifanintsanana natao tany Mau­rice. Resin’i Afrika Atsimo teo amin’ny famaranana. Na izany aza, afaka niatrika ny “circuit mondial” natao tany Dubaï, ny volana janoary lasa teo, ka nahazoana ny laharana fahadimy izy ireo. Hiverina hiady toerana hiatrehina izany in­dray, araka izany, ry zalahy amin’ity.
Hiady filaharana kosa ireo firenena faha-7 ka hatramin’ny faha-12 dia i Maurice, Nigeria, Burkina Faso, Maroc, Sene­gal, miampy firenena iray izay tsy mbola fantatra. Hotantera­hina any Maurice izany fihaonana izany, ny 3 sy 4 oktobra ho avy izao. Mandra-piandry izany, efa ao anatin’ny fanomanana ny Makis an’i Mada­gasikara. Mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao.

Tompondaka

Partager sur: