Misaona ny tontolon’ny tsipy kanetibe Analamanga. Nodimandry ny talata lasa teo Ravelonanosy Jean Marc Claude, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Coucounou. Ankoatra ny naha mpilalao azy, efa filoha lefitry ny Club CBT Antananarivo ihany koa Itompokolahy.
Miatrika fiofanana eto Analamanga, nanomboka ny talata lasa teo, ireo mpitsara amin’ny baolina kitra (Cours Ma Arbitre Elite). Fiaraha-miasa eo amin’ ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) izany. Hiofanana
avokoa ny mahakasika fitsarana baolina kitra maoderina.
Hotanterahina ny alahady 30 aogositra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Malacam, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja rugby. Fihaonana karakarain’ny kaomisiona Analamanga Rugby. Lalao telo no hotanterahina ka hisy ny amboara “Revelation” sy ny amboara fankaherezana ary ny amboara “Fair-play”.




