Mpangalatra ikoizan’ny mponina eny Ankadifotsy Befelatanana voasambotry ny polisy afakomaly. Voarakitra tao anaty horonantsary avokoa ny fihetsik’io lehilahy io ka noraisim-potsiny taorian’ny antso voarain’ ny polisy.
Enina mianadahy mpanaparitaka vola sandoka voasambotry ny polisy tao Talatamaty, kaominina Fianarantsoa, afakomaly. Nitondra vola roa alina maromaro ireo tanora ireo. Voamarina fa sandoka avokoa izany.
Kilan’ny afo ny fiangonana FJKM Marovato II, ao Ambatobe II, kaominina Sahavato, distrikan’i Nosy Varika, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Nampiasaina ho efitrano fianarana koa io fiangonana io noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ao an-toerana.
Lasan’ny mpaka an-keriny ny zaza varira iray tao amin’ny fokontany Bemarivo, kaomin’i Maevatanàna II, Faritra Betsiboka. Dimy taona io zaza io ary folo lahy ireo olon-dratsy naka azy.




