Tsy niatrika ny dingana manaraka izay notontosaina omaly, ny Ankoay fa resy indroa tao amin’ny vondrona “B” misy azy, ny asabotsy lasa teo, tamin’ity lalao basikety “Women’s Series Bangkok” ity.
“Tsy nahomby !” Tsy nivoaka vondrona tao amin’ny sokajy “B” misy azy ny ekipam-pirenena malagasy, vehivavy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena “Women’s Series Bangkok 2026”. Resy indroa tamin’ny lalao roa nataony izy ireo.
Teo amin’ny fihaonana voalohany, lavon’i Canada, 21 no ho 11, i Madagasikara. Tamin’ ity fifanandrinana ity, hita fa nanantombo tamin’ny traikefa sy vatana ny kanadianina. Porofon’izany, vao efatra minitra nanombohan’ny lalao, nitarika tamin’ny isa 8 no ho 4, ry zareo. Somary hita sahirana kosa ry Koloina, Sarobidy, Sydy ary Sambatra nanoloana ny halavan’ireo kanadianina ka lasa manao “tir à distance” foana. Tsy tonga folo minitra moa ny lalao fa teo amin’ny valo minitra teo ihany, nandresy ry zareo kanadianina.
Nandritra ny fihaonana faharoa, niondrika teo anatrehan’i Australie, 21 no ho 4, indray i Madagasikara. Niady tanteraka ny lalao tao anatin’ ny dimy minitra, nitarika 6 no ho 4 ny aostralianina, saingy nitambesatra tamin’ireo Malagasy mpilalao ny havizanana ka maro ireo tandrevaka sy fahadisoana nataony nandritra ny dimy minitra fe-potoana ambiny. Lasa mora ho an’ny aostralianina ny naka ny fandresena.
Resy ny Ankoay, nefa nahazo traikefa tsara tamin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa teo alohan’ity fihodinanana tany Bangkok ity, tokony ho niatrika ny “Women’s Series Singapore” ry zareo, saingy noho ny olana tamin’ny sidina, voatery nanao “forfait” ny ekipa nasionaly malagasy.
Fitia Randria
Fanamarihana:
Ampahafantarina fa amin’ity taranja basikety 3×3 ity, maharitra folo minitra ny lalao iray, ka izay ekipa mahazo isa 21 voalohany dia mandresy avy hatrany fa tsy miandry ny fiafaran’ny lalao.




