Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny lalao mandroson’ny fifaninanana “Coupe des Champions” izay nifanandrinan’ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara sy ny FC Rouge, tompon’ny amboara. Resin’ny CFFA tamin’ny isa 3 no ho 1, ny FC Rouge. Samy nilaza ny ekipa roa tonta fa mbola betsaka ny lesoka mila harenina. Anisan’izany ny fahaiza-miaraka izay mbola hamafisina tsara. Etsy ankilany, ny mpitantana dia miantso ny federasiona sy ny fitondram-panjakana hanohana azy ireo mandritra io fifanintsanana afrikanina io satria voninahi-pirenena no harovana. Raha hiverenana kely ny fihaonana teny an-toerana, nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tamin’ny fidirana voalohany, nisongadina tanteraka i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples FC nalain’ny CFFA, izay nampiditra baolina roa tamin’ity fihaonana ity, ka nitarika 2 no ho 0 ry zareo. Nampihena ny isa kosa i Toky, Cosfa, izay nanatevina ny FC Rouge, ka lasa 2 no ho 1 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ny fizaram-potoana faharoa, nampian’i Tendry io isa io, ny minitra faha -75. Nijanona tamin’io isa io ny lalaon’ny roa tonta. Mbola hisy ny fifandonana miverina ny alahady ho avy izao, mialoha ny hiatrehina ny fifaninanana afrikanina. Tsiahivina fa ny CFFA, hiatrika ny Ligue des champions Caf. Ny FC Rouge kosa hiady ny Coupe de la Caf.
Fitia Randria




