Conquête d’Anosiala Trail (CAT) : Fanatanjahantena sy fandraisana andraikitra

Hotanterahina ny sabotsy 5 septambra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny Conquête d’Anosiala Trail (CAT). Hetsika karakarain’ny Association conquête et trail sy ny klioba 3FB atletisma eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­hasalamam-bahoaka. Eny Anosiala no hanatontosana izany. Mizara telo ny lalana hifaninanana dia ny CAT dé­couverte, mirefy 5 km, ho an’ireo ankizy sy ireo olona te hanandrana hanao izany Trail izany. Ny CAT Aventure, ahitana halavirana 25 km, ary ny CAT Conquête, 50 km. Ireo indray ho an’ireo atleta efa za-draharaha, manomboka amin’ ny sokajy “junior” ka hatrany amin’ny “vétérans”. Tanjona voalohany amin’ity hetsika ity ny hampiroboroboana ny ta­ranja Trail izay efa manomboka mahazo vahana eto Ma­dagasikara. Hanaovana fanatanjahantena sady hanasongadinana ny tontolo iainana sy ny faritra ao Anosiala ny hetsika. Ankoatra izay, eo amin’ny lafiny sosialy, hanangonam-bola hanohanana ny Centre hospitalier universitaire psychiatrique Anosiala, misahana ny fahasalaman’ny saina, ihany koa. Teny filamatra ho an’ny CAT ny fanatanjahantena, fahasalamana, natiora, fi­raisankina, fandraisana andraikitra. Amin’ny ankapobeny, ny CAT izay mikendry ny hampifandray ny fanatanjahantena sy ny natiora ary ny fiarahamonina. Hifarana ny alahady 30 aogositra izao ny fisoratana anarana.

Tompondaka

Partager sur: