Graines d’Avenir de Nosy Be: Nahazo boky an-jatony ny EPP Madirokely

Himasoana ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ireo zaza any Nosy Be. Nampiana ireo boky fianarana sy fialana voly ao amin’ny EPP Madirokely, izay miandraikitra ny fanabeazana ankizy maro.

Tsy vao voalohany. Mito­hy hatrany ny fanohanana ny ankizy mpianatra ataon’ny fikambanana Grai­nes d’avenir de Nosy Be, amin’ny alalan’ny filohany, Amida Sanna. Nanome boky an-jatony ho an’ny trano famakiam-boky ao amin’ny EPP Madiro­kely, anisan’ireo be mpianatra indrindra, ao Nosy Be, izy ireo . “Hanampy ireo mpianatra amin’ny fahazotoana mamaky boky aloha ireo. Loharanom-pahalalana ka tena ilaina, ain’ny fototra izany, mba ha­nana safidy maro ireo mpianatra amin’ity fidirana ity”, hoy ny fanazavana nomen’ny talen’ny sekoly, Rochel Randriafidy.
“Tokony hanam-bintana mitovy amin’ireo mpianatra any amin’ny sekoly hafa ireo mpianatra ao amin’ny EPP. Izay no antony nanampiako azy ireo efa an-taonany maro izao”, hoy ny nambaran’i Amida Sanna. Efa niantoka ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra ireo izy sy ny fikambanana tarihiny tany amin’ny fa­nombohan’ny taom-pianarana. Nampisakafo ireo mpianatra nanala CEPE ihany koa. “Efa nanomboka tamin’ny nanomezanay ampahan-tany nanorenana ny EPP tamin’ny 2003 ny fanampiana ary mbola hotohizanay miaraka amin’ireo mpanohana izany”, hoy hatrany ity mpandraharaha ao Nosy Be ity.
Ireo ankizy avy amina fianakaviana sahirana, avy ao Dar –Es –Salam, Madirokely, Ambatoloaka, Ampasindava, sns, no tena tohanan’ny fi­kambanana Graines d’avenir de Nosy Be. Reny mpiahy ny fikambanana miahy ireo reny sy zaza manana fahasembana any an-toerana koa i Ami­da, ankoatra ny maha filohan’ny Comité d’organisation du festival de Nosy Be na ny Cofestin izay mpikarakara ny “Fsestival Donia”, izay tena hahalalan’ny maro azy.

Zo ny Aina

Partager sur: