25 taonan’ny Antsirabe Rugby Club: Lasan’ny Besarety RC ny amboara

Notanterahina ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Lycée André Resampa Antsi­rabe, ny lalao famaranana nankalazana ny faha-25 taona nijoroan’ny Antsirabe Rugby Club (ARC). Norombahin’ny Besarety Rugby Club ny am­boara sy ny lelavola ary omby mifaha, rehefa nandresy ny XV Taureaux, tamin’ny isa
18 no ho 13. Fihaonana niady ary nahafaly ireo vahoaka marobe nanatrika izy ity. Na­hazo ny laharana fahatelo ny XV Family.
Ankoatra ny lelavola sy ny amboara, notolorana fitao­vana samihafa koa ireo ekipa efatra tonga teo amin’ny ma­nasa-dalana. Anisan’ireo na­nampy tamin’ny fikarakarana ity fankalazana ity, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Antsirabe I, Razafinimaro Désiré. Tsiahi­vina fa nandritra ny 7 volana ny faharetan’ny fifaninanana ka 12 ireo klioba nandray anjara. “Nezahina atao naharitra ny fifaninanana mba ahafahan’ireo ekipa niatrika lalao samihafa. Tanjona ny hampivoarana ny taranja baolina lavalava eto Vakinankaratra” hoy Rakotonindriana Jean-Claude, mpilalao tranainy tao amin’ny ARC.

Tompondaka

Partager sur: