Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Port Academy Center Toamasina, ny lanonana famoahana ofisialy sy fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra miisa 484, manana Licence sy Master, ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Nanaraka fiofanana tao amin’ny École normale supérieure – Sciences de l’éducation et administration scolaire (ENS-SEAS), oniversiten’i Toamasina, izy ireo.
Andiany roa no navoaka, « Mamiratra » ho an’ny Master sy ny « Henika » ho an’ny nahazo Licence avy amin’ny sampana Administration et services scolaires sy Éducation et formation des adultes. Fiofanana ampitain-davitra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary ara-dalàna tanteraka no atolotry ny ENS-SEAS. Efa mpiasam-panjakana sy mpiasa eo amin’ ny sehatry ny fanabeazana ny ankamaroan’ireo mpiofana. Ahafahan’izy ireo manamafy ny traikefa sy ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana ny fahazoana ity mari-pahaizana ity. Tombony lehibe ho an’ireo mpiasam-panjakana ihany koa izany, eo amin’ny lafiny fanondrotan-karama.
Nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, profesora Razanakolona Diny sy ny
tomponandraikitra voalohany amin’ny fandrindrana ny ENS-SEAS, Dr Toto Wenceslas Ludovic. Teo koa ireo tomponandraikitra sy mpampianatra ao amin’ny oniversite.
Mpianatra roa hahazo vatsim-pianarana
Nanamafy ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina fa mifanaraka amin’ny filan’ny faritra sy ny firenena ny fiofanana omen’ny ENS-SEAS. Anisan’ny reharehan’ny oniversite ihany koa ity fiofanana ity noho ny zava-baovao entiny eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, ary indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany.
Nampahafantarin’ny mpitantana ny ENS-SEAS fa mpianatra roa ao amin’ny taona faharoa, Master, no voafidy hisitraka vatsim-pianarana ao anatin’ny Programme Erasmus+. Afaka hanohy fiofanana any ivelany mandritra ny enim-bolana izy ireo ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ ny Université de Rouen.
Vonjy




