Hanatanteraka “Forum national pour la promotion de l’intégrité” ny Kaomity mitandro ny Fahitsiana (CSI), ny 1 sy 2 oktobra ho avy izao, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tohanan’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) sy ny Confédération Suisse ny hetsika. Misokatra ho an’ny tanora malagasy rehetra 18 taona ka hatramin’ny 35 taona monina eto Madagasikara izy ity. Hisy ny fifampiresahana sy adihevitra, fifanakalozana ary ny Village de l’intégrité mandritra izany. Eo koa ny fifaninanana nasionaly roa misokatra ho an’ny tanora. Ny fifaninanana famoronana sary famantarana (logo) ny Système anti-corruption (Sac) sy ny famokarana horonantsary fohy momba ny anjara andraikitry ny tanora amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana. Tsara ho fantatra fa hatramin’ny 1 septambra ho avy izao ny fe-potoana farany handefasana ny fangatahana handray anjara amin’ny zaikabe sy ireo fifaninanana roa voalaza ireo.
Ho an’ireo tanora voafantina avy any amin’ny faritra, hisy ny fandraisana an-tanana ny saran’ny fahatongavana eto Antananarivo, hahafahan’ izy ireo mandray anjara amin’ ny hetsika.
Raha hisoratra anarana, afaka mitsidika ny rohy https://shorturl.re/forumdesjeunes. Misy koa ny pejy fesiboky hanarahana ny andinidininy rehetra : https://www. facebook.com/csimada.
Vonjy




