Hafa noho ireo efa hita hatramin’izay. Fiantsana tononkalo karakarain’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM-GZ) Analakely, ny tolakandron’ny 19 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora. « Sarimiantsa », hianohana antsa tononkalo 35 miaraka amin’i Mina Ilarion, Nofy, Christophe Rabearimanana, Anjara Tsy Ahy ary i Haintso Nirina.
« Anisan’ny hampiavaka ny Sarimiantsa ny fomba fampahafantarana anay miantsa amin’io fotoana io. Hampahafantarina amin’ny fomba miavaka fa mpilalao sarimihetsika izahay no miantsa tononkalo », hoy i Nofy. Ankoatra izay, mbola mpilalao sarimihetsika ihany koa no hihira amin’io fotoana io, raha ny fanazavany hatrany. Nohamafisiny ihany koa fa malalaka ny lohahevitra hoentin’ireo mpiantsehatra mandritra ny antsa tononkalo « Sarimiantsa ».
Marihina fa efa nilona naharitra tao anatin’ny filalaovana sarimihetsika izy 5 mirahalahy ireto. « Na izany aza, aza hadinoina fa nanoratra tsy tapaka ihany koa izahay, ka izao hiantsa ny sanganasan’ ireo mpiraifaribolana izao », hoy hatrany i Nofy.
HaRy Razafindrakoto




