Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tetsy Ilafy, ampitan’ny Somacou, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Lehilahy iray mpiasa ao amin’io orinasa io no maty voadonan’ny fiara karetsaka iray teny an-toerana. Nandeha mafy ny fiara, naratra mafy noho ny dona nahazo azy ilay rangahy ka nitarika azy tamin’ny fahafatesana.
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, ny lehilhay iray teratany sinoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Tratra saika hitondra bolongam-bolamena be miisa 8, milanja 7,213 kg hihazo an’i Dubaï ny tenany. Nambarany fa sinoa avy Chine no tompon’ireo entana ireo. Saron’ny zandary teny Mamory Ivato izy niaraka tamin’ireo harena sarobidy ireo.
Naiditra am-ponja vonjimaika ireo roa lahy tratra nangalatra bisikileta sy moto teny Malaza Tanjombato sy teny By-Pass Iavoloha, ny 22 aogositra 2026 lasa teo. Nisy nahita ny nangalaran’izy ireo ireo fitaovam-pitaterana ireo ka nitoroka tany amin’ny polisim-pirenena.
Lehilahy roa, 19 sy 15 taona, maty nihotsahan’ny tany tany amin’ny fokontany Mandrosoarivo, kaominina Fierenana, distrika Tsiroanomandidy, ny sabotsy teo. Raha ny fantatra, nitrandraka volamena tao amin’ny
kariera Tsimbilovolo izy roa lahy, niaraka tamin’ny olona maromaro. Nihotsaka tampoka ny tany ka maty tototra tao ny roa lahy, raha naratra kosa ny roa lahy hafa.




