Mpivady tra-doza tamin’ny moto : Maty ilay ramatoa, naratra mafy ilay rangahy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, ny tolakandron’ny sabotsy 31 oktobra 2026 lasa teo. Niseho teo amin’ny PK 45 ny loza. 500 km miala kelin’Antara­tasy, lalana mihazo an’i Foul­pointe. Mpivady nanao taingin-droa tamin’ny moto no niharan-doza. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy izy ireo, saingy rehefa tonga teo amin’ny fiolahana dia tsy nahatana familiana. Vokany, ni­refotra sy nidona mafy ta­min’­ny fiara mpitatitr’olona iray, izay nifanena tamin’izy ireo. Noho ny dona mafy nahazo azy ireo, maty tsy tra-drano ilay vehivavy izay nen­tina avy aoriana. Naratra mafy kosa ilay vadiny izay nitondra ny moto. Ankoatra izany, omaly alahady 1 novambra 2026, fiara iray ihany koa no niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy iny ihany. Nandeha mafy ny fiara, saingy mbola tsy nahafehy ny familiana ihany ny mpamily
ka nifatratra tamin’ny tranon’ olona ilay fiara. Niseho teo amin’ny sampanan-dalana hihazo an’Ampasina Manin­gory ny loza. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’ity loza iray ity. Simba tanteraka kosa ny fiara sy ny tranon’olona. Marihina fa manao ranolava ny lozam-pifamoivoizana hamoizana aina sy fahasimbana fitaovana amin’ity lalam-pirenena ity, hatramin’ny fotoana naha­vitan’­ny lalana.

Sajo

Partager sur: